<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Jeso! Mba henoinao FFPM244</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso ! mba henoinao
 Ny feonay mpanomponao
 Izay mivavaka Aminao,
 Mitady fitahiana

[V2]
 Vokiso ny Fanahinay,
 Ny teninao no haninay,
 Hahaizanay mamahana
 Ny reraka ao an-dalana.

[V3]
 Ampaherezonao izao
 Ny tànanay mpanomponao,
 Hanohana ny olonao
 Miraviravy tanana.

[V4]
 Omeo fo mazoto re !
 Tolory fahendrena be ;
 Tarihonao ny hevitray
 Tendreo koa ny molotray.

[V5]
 He ! tsinontsinona izahay
 Malemy sady tsy mahay ;
 Ka dia ampaherezonao
 Hanaovanay ny sitrakao.</lyrics>
<hymn_number>244</hymn_number>
<author>W.H. Gladstone</author>
</song>